<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Ry Ray, Mpiaro lehibe !
 Mba mihainoa ahy e,
 Ka ampio aho hanao hoe :
 Hatao anie ny sitrakao !

[V2]
 Izay rehetra sitrakao
 No aoka mba hatao izao
 Fa mahasoa ny tianao :
 Hatao anie ny sitrakao !

[V3]
 Na sarotra aza ny hatao,
 Mba manampia ny zanakao
 Hanaraka ny teninao :
 Hatao anie ny sitrakao !

[V4]
 Na tonga aza ny manjo
 Ka ory sy mivadi-po,
 Ho toy izao ny teniko :
 Hatao anie ny sitrakao !

[V5]
 Mba tanterahonao tokoa
 Izay kasainao hahasoa ;
 Ny tena sy fanahy koa ;
 Hatao anie ny sitrakao !

[V6]
 He ! Hianao dia tsy mandao
 Izay voaray ho olonao
 Ka mankatò ny didinao :
 Hatao anie ny sitrakao !</lyrics>
<title>Ry Ray mpiaro lehibe FFPM612</title>
<hymn_number>612</hymn_number>
<author>G. Hews</author>
</song>